Notokanana ny alakamisy 25 Febroary ny tsenan’i Behoririka. Anisan’ny fotodrafitr’asa iray lehibe an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra io notokanana io. Misy rihana 3 lehibe ity tsenan’ny kaominina ity ary ireo mpivarotra rehetra amoro-dalana no ezahin’ny fiadidian’ny tanàna hampidirina ao anatin’ity tsena vaovao etsy Behoririka ity. Mahazaka mpivarotra 800 any ho any ity tsena ity ary mijanona ho 500 ariary isan’andro ny ticket takiana amin’ireo mpivarotra. Nambaran’ny delehen’ny Boriborintany fahatelo, atoa Ramiandrisoa Lalaina, fa tafiditra ao anatin’ny veliranon’Iarivo ny fananganana fotodrafit’asa eto Antananarivo Renivohitra ary mifanaraka amin’ny veliranon’ny Filohampirenena koa izany. Ny hampanara-dalana an’ireo mpivarotra amoron-dalana no antony nanangana izao tsena lehibe izao, hoy ny delege. Voalohany, dia ny hisian’ny filaminana. Eo ihany koa ny fisorohana sy fitandrovana ny fifamoivoizana, mba tsy ho voaelingelina. Tafiditra ao anatin’ity tsena vaovao ity avokoa ireo mpivarotra amoro-dalana ao Boriborintany voalohany sy fahatelo. Tanjona, hoy ny delege ny hametrahana ireo mpivarotra tsy ara-dalana mba hanara-dalana. Tonga nitokona izao tsenan’i Behoririka izao, ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, atoa Naina Andriantsitohaina, ny delegen’ny Boriborintany fahatelo, ny Ministry ny Varotra, ny Governoran’ny faritra Analamanga atoa Hery Rasoamaromaka, depiote voafidy tao amin’ny Boriborintany fahatelo izay notronon’ireo solombavambahoaka hafa, niaraka tamin’ny mpanolontsaina ny tanànan’Antananarivo. Marihana, fa amin’io herinandro io ho avy io no hiditra ao amin’ity tsena vaovao ity, ireo mpivarotra, hoy hatrany ny delege.


