Isaky ny 2 taona no hanaovana ny fetin’ny Betsileo sy ny fiakaran’ny vokatra na antsoina hoe “Volambetohaka”, izay volan’ny fifaliana no iantsoana azy. Ka ny volana Jolay ho avy izao no hanaovana izany andiany faha 14 izany, ary ny distrikan’Ambositra, faritra Amoron’i Mania no mandray ity fety firavoravoana noho ny fiakaran’ny vokatra ho an’ny Betsileo ity. “Firaisankina volambita” no lohahevitra banjinina amin’ity andiany faha 14 ity. Ho fararanon-danonana ho an’ny vahoakan’Ambositra indray izany ny volana jolay hanaovana io volambetohaka io, hoy ny fanazavana voaray.


