Lasa gaboraraka tanteraka ny toby fiantsonana ao Antsirabe amin’izao fotoana izao. Voalaza fa efa voafaritra ny toerana tokony hamenoan’ireo fiara ny mpandeha, nefa misy fiara hafa mameno ivelan’ny faritra voatokana. Hany ka maro ireo taksiborosy no miantsona sy mameno olona eny amin’ny sisiny. Milaza ireo mpanera, fa tokony hisy ny fandaminana ataon’ny mpitantana ny kaominina sy ny faritra, fa lasa samy manao izay saim-patany ny mpamily sy ny kaoperativa ary ny mpanera.
Ankoatra izay, dia misedra olana koa ny mpandeha ao Antsirabe amin’izao, satria, ifandroritan’ny mpanera 7 na 8 ny mpandeha iray, ka misy sasany amin’izy ireo no manararaotra mangaro-paosy. Manao antso avo noho izany ireo mpitatitra manara-dalàna mba hijeren’ny mpitondra manokana io toby fiantsonana io, indrindra fa ireo fiara mameno ivelan’ny faritra. Nilaza kosa ny ben’ny tanànan’Antsirabe, ny dokotera Unoh, fa efa eo am-pandaminana ny fifamoivoizana, ny toby fiantsonana, ny tsena ny tenany sy ireo mpiara-dia aminy amin’izao. Vao iray volana mantsy no nandray ny toerany izy ireo. Ezahina hovahana ny olana nolalovan’ny mpiasa, izay tsy nandraisan’izy ireo karama nandritry ny 14 volana. Hanamboatra abatoara, ny tsenan’omby ny ben’ny tanàna ary hijery manokana ny sosialim-bahoaka koa, hoy ny fanazavany.


