ANTENIMIERANDOHOLONA : Tapitra amin’ny volana jona izao ny tetibolam-panjakana

Mitaraina amin’ny tsy fananam-bola ny Antenimierandoholona amin’izao fotoana izao, araka ny fanazavan’ny filohany, Rivo Rakotovao. Amin’ny volana jona ho avy izao no tapitra ny karaman’ny loholona voarakitra ao amin’ny sorabola na dia efa nankatoavina izany raha ny fanazavana hatrany. Misy amin’ireo mpiasa sasany no mbola tsy nandray karama nanomboka ny volana aprily hatramin’izao. Azo ataon’ny fitondrana no mandray an’ireo mpiasa eto anivon’ny Antenimierandoholona, satria mpiasam-panjakana izy ireo, ka manaparitaka azy ireo any amin’ny ministera hafa, hoy ihany izy. Tsy mbola ao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana io tetibola hatokana an’io andrimpanjakana io, satria hifantoka amin’ny fanarenana amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao ny lahadinika, hoy ihany i Rivo Rakotovao. Nisy ny fivoriana nandinihana ny drafim-panarenana ny toekarena, izay niarahana tamin’ireo mpahay toekarena teo anivon’ny CREM. Ankoatra ireo, amin’ny lahadinika maika hanarenana ny firenena, dia ao anatin’ ny fandaharam-potoana eo anivon’ny Antenimierandoholona ihany koa ny lalàna mifehy ny mpanohitra sy ny serasera eto Madagasikara.

Vous aimerez aussi