BEN’NY TANÀNA AO AMIN’NY FARITRA BONGOLAVA : Manome 72 ora ny fanjakana hamoahana ny namany nogadraina

Naiditra am-ponja vonjimaika ny sabotsy 9 may lasa teo ao amin’ny fonjaben’i Tsiroanomandidy, atoa Rabearisoa, izay Ben’ny tanàna voafidy tao amin’ny kaominina Ankerana Avaratra, Faritra Bongolava. Araka ny fantatra, dia resaka halatr’omby efa tapa-bolana lasa no antony nitazonana ity Ben’ny tanàna ity. Nisy omby iray very tany an-toerana, koa rehefa nanao fanarahan-dia ny Ben’ny tanàna sy ny mponina ary ny mpitandro filaminana tao an-toerana, dia nisy namatotra tao amin’ny valan’ombin’ny Ben’ny tanàna ilay omby very, antony nahavoasaringotra azy. Araka ny voalazan’ny vahoaka sy ny Ben’ny tanàna manodidina ny kaominina misy azy anefa, dia tsy meloka izy, fa noho ny fialonana sy tsy fitiavana fotsiny tsotra izao, izay efa tafiditra tao anaty tetika maty paika izao fanendrikendrehana azy. Anisan’ny olona niady mafy tamin’ny fametrahana ny fandriampahalemana tany an-toerana sy ny ady amin’ny kolikoly ny Ben’ny tanàna, ka nisy ny olona very tombontsoa noho izay ady nataony entina hitantanana ny tanànan’ Ankerana Avaratra izay. Nohamafisin’ny mponina, fa dia tena nilamina ny tanàna nandritra ny fotoana nitantanany tao an-toerana raha mifanohitra amin’izay ny teo aloha. Mangataka ny hamotsorana ity ben’ny tanàna ity tsy misy hatak’andro araka izany ireo vahoaka any an-toerana. Etsy an-kilany ihany koa ny fivondronan’ny Ben’ny tanàna sy ny solombavambahoaka voafidy tany amin’ny Faritra Bongolava, dia niaka-peo noho izao tsindry hazo lena nihatra tamin’ny olom-boafidy izao ary mangataka ny hamoahana tsy misy fepetra an’atoa Rabearisoa izay Ben’ny Tanàna naman’izy ireo izao. Manome 72 ora ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny zava-misy any an-toerana izy ireo. Raha sanatria ka tsy tafavoaka ity namany ity dia hanapa-kevitra ny hampiato ny asany rehetra any amin’ny faritra Bongolava ireto olom-boafidy ireto.

Vous aimerez aussi