Mahavariana sy mahatalanjona ny Malagasy ! Ao anatin’ny vanimpotoana sarotra lalovana toy ny misy ankehitriny mbola manam-potoana ifanilihana andraikitra sy hanaovana toy ny valala an-karona, mifanipaka an-toerana, ny maro amin’ireo misalotra ilay anarana maha be voninahitra hoe : « Tomponandraikitra ambony ».
Anisan’ny hahatarafana ny fifanilihana andraikitra, ohatra, ny olana misy eo amin’ireo taxi be sy ny fanjakana, ny amin’ny famatsiana ny tsiranoka fampiasa amin’ny fanasan-tanana ho enti-mamono ny otrikaretina. Ireo mpitatitra manambara fa tsy mamatsy azy ireo ny « gel » intsony ny fanjakana, sady tsy manome azy ireo ihany koa ny tompon’ny fiara na ny kaoperativa izay iasany. Maro amin’ireo mpitatitra ihany koa no nanambara fa tsy misy drala hatokana hividianana ny « gel » intsony fa ny fatiantoka aza efa tsy hita noanoa.
Etsy andaniny, ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) nanizingizina fa fanampiana ihany no nataon’ny fanjakana sy ny fikambanana Fitia tamin’ny hoenti-manana amin’ny fikajiana ny fahadiovan’ny fiara tahaka ny nanomezan’izy ireo ny « gel » sy ny famendrahana ranom-panafody. Vokany, ny mpanjifa hatrany no mizaka ny fifanilihana andraikitra. Tsy misy intsony, araka izany, fampiasana ny ranom-pidiovana fampiasa amin’ny fanasana tanana any anatin’ny ankamaroan’ireo taxi be miasa eto an-drenivohitra.
Ampahany ihany amin’ny fifanilihana andraikitra manoloana ny fiatrehana ny « covid- 19 » io, fa mbola maro no mampitaraina ny valalabemandry efa renoky ny torimaso lalin’ny fahantrana sy ny fahasahiranana izay mihalalim-paka andro aman’alina. Mila manova fomba fisaina sy fiasa isika mianakavy raha toa ka te hivoaka mpandresy tokoa manoloana ny coronavirus.


