Vao maraina mangiran-dratsy dia efa voatemitra mpitandro ny filaminana ny teny Analakely sy ny manodidina ary Ambohijatovo iny. Tetsy Ambondrona dia efa feno Emmo/Reg, toa izany koa ny lalana miditra eny Soarano, Petite Vitesse, tonelina Ambohidahy sy Ambohijatovo iny dia rakotra mpitandro filaminana. Tsy nisy azo nidirana na nivezivezena teny amin’ireo toerana voalaza ireo. Saika nikantona avokoa ireo tranombarotra lehibe tetsy Analakely sy ny manodidina ary toy izay koa ireo trano fandraisam-bahiny sy ny Hôtel, toa ny Hôtel Le Glacier, Melis, Hôtel de France, Gastro…. Raha ny fantatra dia tahotra sao sanatria hisy ny fandrobana no antony nandraisan’izy ireo ny fanakatonana. Nangina tanteraka ny teny Analakely, tamin’io asabotsy io. Rakotra mpitandro filaminana teny an-toerana, nanomboka teny Soarano, Lapan’ny tanàna, Andohan’Analakely, Ambohijatovo, dia feno fiaraben’ny mpitandro ny filaminana avokoa, ka tsy azo nidiran’ny mpandeha an-tongotra ny lalana rehetra, fa tsy maintsy niova lalana izy ireo ary nanaiky ny fandaminan’ny mpitandro ny filaminana ny ankamaroan’izy ireo.


