MINISTRA LALATIANA ANDRIATONGARIVO : Manome fahafahana miteny ny fanjakana, fa tsy hatao amboletra

Tokony tsy hanao amboletra hiditra an-kianja ireo depiote Tim nikasa hanao tatitra, fa efa nisy ny naoty navoakan’ny prefen’Antananarivo ary nomena toerana malalaka eny Soamandrakizay ireo solombavambahoaka hanao tatitra ary tokony ho nanaiky izay fandaminana sy ny toromarika nomen’ny fitondram-panjakana izay, ireo depiote sy ireo mpiara-dia aminy, fa tsy hanao amboletra hiditra amin’ny toerana efa voarara. Nambaran’ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina, ramatoa Lalatiana Andriatongarivo dia manome fahafahana miteny ny fanjakana ary afaka maneho hevitra sy manao tatitra an-kalalahana ireo depiote Tim ireo ary efa nisy ny toerana nomen’ny prefe azy ireo, dia tany izy ireo no nanao ny tatitra. Inona no mahatonga azy ireo hisisika eny amin’ny kianjan’Ambohijatovo na kianjan’ny 13 May ? Misy tanjona tiana ho tratrarina ao, ka aoka re mba hanaraka ny toromarika ireo solombavambahoaka izay nilaza fa hanao tatitra ireo. Marina fa voalazan’ny lalàm-panorenena ny hanaovan’ny depiote tatitra, nefa kosa efa nomena toerana izy ireo, fa zavatra hafa no tian’izy ireo ahatongavana, hoy ramatoa ministra.

Vous aimerez aussi