Vanimpotoana tena ilana ny fifanampiana sy ny firaisankiana ary ny fifampitsinjovana no misy antsika ankehitriny, hoy i Mompera Pedro, lehiben’ny toby Akamasoa, eny Andralanitra.
Tsapako, ny fahasahiranan’ireo olona ato amin’ny toby noho ny fisian’ny krizy ateraky ny covid- 19, hoy hatrany i Mompera Pedro. Miezaka ny toby manao izay vitany amin’ny fanampiana ireo olona toy ny fiahiana ara-tsakafo sy fanomezana asa azy ireo. Voafetra ihany anefa izany. Nanao antso avo ho an’ny fanjakana ihany koa i Mompera Pedro mba hijery akaiky ny fahasahiranan’ireo mponina very asa sy tsy manan-ko hanina vokatr’izany. Latsaka an-katerena tanteraka ny fiainan’ny ankamaroan’ny Malagasy, hoy hatrany ity relijiozy mpanao asa soa sy mpanabe ity koa mila tohana izy ireo mba tsy hiraviravy tanàna na sanatria ho tratran’ny famoizam-po tanteraka.
Voahaja ireo fepetra ara-pahasalamana, milamina ny toby
Ho an’ny toby Akamasoa, izay misy vohitra miisa 03, Andralanitra, Manantenasoa ary ny any amin’ny distrikan’Ankazobe, samy mbola tsy ahitana olona mitondra ny tsimokaretina covid- 19 avokoa izy ireo. Miezaka andro aman’alina rahateo ireo tomponandraikitra rehetra eo anivon’ny toby manaraka antsakany sy andavany ny fampiharana ireo fepetra ara-pahasalamana sy manentana ireo olona hanaja izany hatrany. Anisan’ny mbola olana mitoetra ho an’ny toby eny Andralanitra ny tsy fahampian’ny rano fisotro madio ho an’ireo mponina. Efa milamina kosa ny lafiny fandriampahalemana amin’ny ankapobeny noho ny fisian’ny tobin’ny polisy eny an-toerana. Mitohy hatrany, araka izany, ny tetikasan’ny toby Akamasoa ho fanampiana ireo olona sahirana.


