Nifaly Antsahakely

Sambany ka nifaly ny vahoaka tao Antsahakely-Besarety tamin’ity alatsinainy ny Paska ity. Nizara sakafo, vary sy loaka ny depiote TIM Feno ary nentiny tamin’ny anaran’ny Vondrona Firaisankina izany hetsika izany.

Faly sy ravo ny vahoaka izay tena sahirana amin’izao fotoana izao ary tsy mba afaka mitsangatsangana toy ny rehetra. Nambaran’ny depiote TIM Feno fa manohana ny vahoaka sahirana izao hetsika izao, ary ho avy matetika izy hanampy ireo sahirana.

Fanindroany tokoa ny depiote Feno no nanampy toy izao.

Vous aimerez aussi